1 Haleloia. Mihir fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.

2 Aoka ny Isiraely hifaly amin'ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i Ziona.

3 Aoka hidera ny anarany amin'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny lokanga.

4 Fa sitrak'i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.

5 Aoka ny olona masina hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.

6 Aoka hisy fanandratana an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tnany,

7 Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,

8 Hamatorany ireo mpanjakany amin'ny gadra, Sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy.

9 Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.
